<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ndriana RAMAMONJY</author>
<lyrics>[V1]
 Maro ireo tanora izay miraparapa,
 Ao anatin'ny aizina ao,
 Mitambesatra ny ota ka tsy zaka,
 Fahoriana re no ao.

[C1]
   Iza kosa no hilanja,
   Ny fanilo ho azy ireo ?
   Izay mampahiratra tokoa ny jamba,
   Ka ho vonjy ho azy ireo ?

[V2]
 Fahafatesana no toerana itobiany,
 Lavitra ny fiainana,
 Tsy mba misy fanavotana itokiany,
 Manome fiadanana.

[V3]
 Fa Jesosy no efa maty ho azy ireo,
 Ka mitondra fiainana,
 'Zay mandray dia sahy manandratra ny feo,
 Fa manam-piadanana.</lyrics>
<title>MARO IREO TANORA ASAFA48</title>
<hymn_number>48</hymn_number>
</song>